Fahendrena sy Fahalalana (Groupe ITMM Betafo Ambohimangakely)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Fantatrao ve fa ny fiainana,dia mila fahendrena?
Fanajana sy fitiavana ary fahalalam-pomba miampy fanetre-tena..
Karohina ao anaty fiaraha-monina izy, sy ratovina amin'ny toeram-panabeazana
Andraikitra takina amin'ny olona rehetra tsy akanavaka (in-2)

           Refrain....
Koa sambatra ny olona manana fahendrena
Sambatra ny olona manana fahalalana
Satria fiainana feno fahasambarana, no mandrafitra ny androm-pahavelomany,
Indrindra moa ilay fiainana miampy ilay fitiavan'Andriamanitra

2- Hatezeran-dava sy fialonana miampy tenindratsy dia tsy fahendrena
Ny hakamoana, ny hakiviana sy ny ezaka tsy ampy dia tsy fahalalana.
Fa sarobidy mihoatra lavitra ny volamena,
Ilay toetra ananantsika eo amin'ny fiainana,
Indrindra moa ilay toetra voarafitra hanalavitra ny fankam-panahy
               A/C : Alban RANDRIARIMALALA
                         GROUPE ITMM- 2019
--------
Lien:
Commentaires
Sydorien ( 15/10/2025 07:17)
Manantena fiaraha-miasa aminareo hatrany tompoko.
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Groupe ITMM Betafo Ambohimangakely
Visites : 183
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Sydorien
Date : 15/10/2025 07:16
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0334