TSY MORA NY MITADY VOLA (Groupe ITMM Betafo Ambohimangakely)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Fa hono oa ry Akama, miasa ve ianao?
Miasa tena miasa sa variana milalao?
Hitady vola ve, dia variana mandehandeha
Asa fivelomanao ve ataonao Kilalao.

Ny Asa izay anie ahazoana vola
Izay hozatry ny fiainana isan'andro
Vao mangiran-dratsy ianao no mikarama
Alim-pody ihany koa, vao mahita izay mahasoa..ie!... ie!... ie!... ie!

Refrain.......
Fa tsy mora anie mitady vola e ..
Miasa ianao raha Te hidola
Mitady vola anie tsy vita mora e...
Nefa ny mandany azy moramora

2- Hoantsika rehetra rehetra, ao @fianakaviana .
Mba lanjalanjao re izato zavatra vidiana
Na lamaody, na sakafo..., na ny revy, na ny hafa
Na dia hita fa hoe tiana aza, Dia asio vinavina.

Tsembotsemboka ery ianao vao mahazo vola.
Indrindra moa rah tsy ampy ny ao antokan-trano.
Vao mangiran-dratsy ianao no mikarama..
Alim-pody ihany koa, vao mahita izay mahasoa... ie!... ie!... ie!... ie!...

A/C: Alban Randriarimalala
Michael Andrianarivelo
--------
Rohy:
Hevitra
Alban Randriarimalala ( 31/01/2024 07:45)
Tena tsara ary Mankasitraka anareo mpikarakakara e...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe ITMM Betafo Ambohimangakely
Vangy : 116
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Alban Randriarimalala
Daty : 31/01/2024 07:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.072