MIFAMENO ISIKA (Groupe ITMM Betafo Ambohimangakely)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Mifameno isika,
Tsy misy lavorary
Dia izay tsy mahay dinika,
Mahay fatram-bary..
Aoka tsy hifanebaka
Fa samia mba miezaka
O! O! O! O! O! O!...

2- Ianao izao manalazy,
Tsy misy hoe voasazy
Izahay koo mba mampandihy
Sady tena Mankafy
Fiadanana katsahina
Izay olana ho Tapahina..aa...
O! O! O! O! O! O!......

3- Hampiasa taratasy,
Hanandratra ny Malagasy .
Tsy hanao lembenana
Ilay fahandriam-pahalemana.
Hanova ny fisainana,
Hanatsara ny fiainana a, a...
O! O! O! O! O! O!....

A/C : - Alban Randriarimalala
- Michael Randrianarivelo
- Frederic Razafimahatratra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe ITMM Betafo Ambohimangakely
Vangy : 93
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Sydorien
Daty : 20/03/2024 13:30
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0745