BETAFO Tanananay (Groupe ITMM Betafo Ambohimangakely)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Tanana kely iray no Andeha holazaiko anao
Tanana Mahafinaritra amin'ny fomba mampanao
Betafo no anarany,ka voadidina hadivory.
Azonao ialana voly sy analana sorisory

Tanana Malagasy sady tena mahaliana
Tsy lavitra ny ville rah toa ianao vahiny.
Ny rivotra madio, ny tontolo iainana milay,
Izay ilay hoe Betafo, izay ilay hoe Tanananay

Io ilay Betafo, Tanana sarotra adinoina..
Io ilay Betafo, Mila kolokoloina
Io ilay Betafo, Tanana tena mahasondriana
Io ilay Betafo, misy Tantara mahavariana a...

2- Avy aty andrenivohitra mba hiala voly kely
Ka mahazo By-pass atsinanan'Ambohimangakely
Raha mahatazana fiangonana avoavo anakiroa,
Dia io ilay Betafo, izay tsy manam-paharoa

Raha tafiakatra eny ianao, Dia mahita ilay sekoly.
Sy manga avobe, tokontany ialana voly
Azo ny manontany, Olon-tsotra monina eny,
Dia ho fantatrao avy eo fa Malagasy izay avy eny.
--------
Lien:
Commentaires
Alban Randriarimalala ( 13/02/2024 09:32)
Tsara be ny miasa miaraka aminareo e
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Groupe ITMM Betafo Ambohimangakely
Visites : 167
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Alban Randriarimalala
Date : 13/02/2024 09:31
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0848