TSY AFENIKO (GALAF)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
L- lazaiko Anao Jesoa ny fiainako izao
Feno hadalana ditra loza koa
Lazaiko Anao Jesoa fa io vavako io
Miteny ratsy sady mandainga

V- lazaiko Anao Jesoa ny fo anatiko ao
Tena mamitaka feno lolom-po
Lazaiko Anao Jesoa f'izaho ity anie
Tsy mahasoa fa bé siasia

_Fa hoy Ianao ry Jesoa tia
Izaho no nifidy anareo
K'aza mba manahy na mba matahotra
F'izaho ihany no mpiahy

S- Misaotra Anao Jesoa fa tena tia Ianao
Misaotra Anao mihaino vavaka
Manomboka anio atolotro Anao
Ny aina tena fo Ary ny fanahy
Efa manafaka ny fanahiko Ianao
Tamin'ny fahafatesana mandoza
Eny nanafaka ny tongotro Ianao
Tsy ho solafaka na koa ho very.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : GALAF
Visites : 625
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : MICHAEL.XSQ
Date : 23/12/2023 18:15
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719