Tsy misy tahotra (FANANTENANA ANTSA-FI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy misy tahotra

Efa nomenao ahy izao, ‘Lay Fanahy mahatonga ahy ho sahy
Hitory teny aminy reo mahantra, Mba ho tonga olom-baovao
(Voavonjy)

     Ny vavako, zay votsa taloha, Nosokafanao itondra soa

     Ny foko izay nihidy taloha, novohainao tsy ho tokam-po

Ref :
Fantatray ry Tompo fa tsy mora, ny asa miandry am’izao iraka izao
Toroy làlana aho ahazahoako, fandresena, ka ireo voageja noho ny aizina
Afa-patorana, voadio satria nifona e! vavolombelonao tokoa ireo voavonjy

Efa nomenao ahy izao, ‘Lay Fanahy mahatonga ahy ho sahy
Hitory teny aminy reo mahantra, Mba ho tonga olom-baovao
(Voavonjy)

    ‘Reo mpanakora, ireo mpandrabiraby, Mety maro fa reseo ny hakiviana

     Ny miaraka amin’i Jeso, tsy ho fifaliana lalandava

Ref :
Fantatray ry Tompo fa tsy mora, … ny asa … ny asa miandry am’izao iraka izao
Toroy lalana aho ahazahoako fandresena, ka ireo voageja noho ny aizina
Afa-patorana, voadio satria nifona e! vavolombelonao tokoa ireo voavonjy (x2)


A C. Clément RAKOTOMALALA
Interpretation FANANTENANA ANTSA-FI
Taona 2016
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : FANANTENANA ANTSA-FI
Visites : 265
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Touknambs
Date : 01/02/2025 10:36
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3643