Fandalovana (FANANTENANA ANTSA-FI)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fandalovana1. Tany ilaozan-tsika
Harena, fananana
Ireo soa vitan-tsika
Dia ho tsarovana mandrakizay
Ref : Fandrao ianao variana ety
Dia ho adinonao ilay lova ary
Fandalovana anie'ty tany ity
Vahiny ihany isika no ety
Mamafaza voa raha mbola ety
Dia hijinja soa ianao rehefa ary
Ho voarakitra ho tantara eo 'zay vitanao
Na ratsy na tsara no atao
2.Jereo ireto ianareo fa toa variana
Sondriana ery
Atao izao sy izao
Fa te hahita hasambarana
Ref : Fandrao ianao variana ety
Dia ho adinonao ilay lova ary
Fandalovana anie'ty tany ity
Vahiny ihany isika no ety
Mamafaza voa raha mbola ety
Dia hijinja soa ianao rehefa ary
Ho voarakitra ho tantara eo 'zay vitanao
Na ratsy na tsara no atao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : FANANTENANA ANTSA-FIVisites : 253
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Touknambs
Date : 05/03/2025 09:49
