Katsaho (Emit Mikalo Fiderana(EMIFI))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Ny fanjakan'ny lanitra tsy mora
Lalan-tsarotra tsy vita mora
Lalan-tery feno tsilo mazana aok'izany
No izorana any an-danitra any

Aza dia variana (amin'ny) fiainana eto an-tany
Fa mba saino ihany, ny lovasoa an-danitra any
Fanetre-tena koa sy vavaka ihany
Fiainana hizorana mankany


Ref:
Katsaho aloha ny fanjakan'ny lanitra a
Katsaho ny fahamarinan'Andriamanitra a
(Homena anao) Homena anao, ny ho fanampiny
(Dia ho azonao) Dia ho azonao, reo soa afafiny


2. Ny fitiavam-bola aman-karena
Halaviro ny fitiavan-tena
Ny fatahoranao an'Andriamanitra
No toetra tsara enti-mandova ny lanitra


Ref:
Katsaho aloha ny fanjakan'ny lanitra a
Katsaho ny fahamarinan'Andriamanitra a
(Homena anao) Homena anao, ny ho fanampiny
(Dia ho azonao) Dia ho azonao, reo soa afafiny
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0996