Ianao ilay tsy manan-tsahala (Dadah Rabel)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ianao ilay tsy manan-tsahalaIlay nisafidy hizara ny diako
Ianao ihany no mahalala
Ireo ahiahy sy ireo faniriako
Ianao teo anilako hatrany,
Nizara ireo tsiky, namafa tomany
Ianao nampijoro, nampitraka,
Nanampy ahy hibaby ny mafy tsy zaka
Ianao teo anilako hatrany,
Nizara ireo tsiky, namafa tomany
Ianao nampijoro, nampitraka
Nanampy ahy hibaby ny mafy tsy zaka
Ianao ilay tsy manan-tsahala
Ilay nisafidy hizara ny hoaviko
Ianao no hany tokako malala
Ilay mandra-maty hany ho tiaviko
Ianao eo anilako eo foana,
Tsy fanontaniana, tsy misy hoe nahoana
Ianao tsy mba be fisehosehoana,
Nefa tratr’antso rehefa antsoina !
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Dadah RabelVisites : 1273
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : dd
Date : 25/12/2021 10:02