Ray o, mamin'ny foko (BOKIN-KIRA FIDERANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 Ray ô! mamin'ny foko
        Ny eo anilanao
        Ray ô! izany no iriko
        Tano aho sao saraka Anao

Fiv  Ray ô! Ray ô!
         Anilanao, Raiko ô!

2 Ray ô! vonon-kanompo,
        Ny eo anilanao Ray ô!
        Mitafy nofo,
        Tano aho sao saraka Anao

3 Ray ô! olon-kandalo,
        Ento aho anilanao.
        Ray ô! be fahavalo,
        Tano aho sao saraka Anao

4 Ray ô! anilanao,
        Raiko feno ny soa
        Ray ô! saraka Anao,
'        Zany no loza tokoa!
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2742