manenina aho (Antsafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha sitrakao anie ry Ray! Ny foko
Tariho hatoky Anao, hiaro sy hanaja
Ireo adidy maro zay napetrakao amiko
Malemy aho ka tsy mahay miaro
Reo onja mitady hanafotra ahy
Miangavy aho fa tsy mandà
Zay sitrakao anefa aoka ho amiko
Raha mety Ianao ry Tompo hiaraka amiko
Hanitsy ‘reo talenta ananako
Fa menatra aho raha toa ka halavirinao
Manenjika ahy ny ratsy zay natao

Fantatro loatra anie ry Ray
Fa latsa no vokatr’ireo ratsy atao
Ny fahalalana izay mba ahy
Nanesika ahy hahafoy lay fiainam-baovao
Tafio ny hery avy Aminao ny dina ataoko anio izao
Tsy ho sanatria ho helo fa fiainam-baovao
No hiarahako Aminao
Raha mety Ianao ny Tompo hiaraka amiko
Hanitsy ‘reo fo kely adalako
Hametraka ny fiainako ho eo an-tananao
Hanosika ireo latsa ho eo aloha

Miangavy mafy aho ry Tompo, mitalaho
Mahantra Anao re ny foko ka iantrao
Manenina aho re noho ‘reo zay ratsy vitako hatrizay
Tolorinao fahendrena ihany koa
Ho mpino marina sy ho mpankatoa
Kanefa Ray o! ny sitrakao no aoka hatao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Antsafi
Visites : 1125
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : zoandrianina
Date : 27/11/2015 19:13
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1086