MATOKIA (Antokom-pihira Vetson'i Siona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 Matokia, matokia ianao, ry Jesoa ô.
Sanatria sanatria tsy verivery foana
Ilay hafatra napetrakao fahiny:
Ilay hafatra navelanao ho anay.

2 Tena fy, tena fy, ka tsy hohadinoinay,
Tena soa, tena soa ka ho tandremanay:
Aoka hifankatia, mifankatiava tsara.
Io 'lay hafatra navelanao ho anay.

3 Raisinay, raisinay, ho voninahitra;
Ekenay, ekenay fa teny nomenao.
Hany ianteheranay mandrakizay
Ilay hafatra navelanao ho anay
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.081