Izay mamboly (Antokom-pihira Vetson'i Siona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ref: Izay mamboly e!
Dia tsinontsinona avokoa
Satria ny Tompo ihany
no mampitsimokae! ny voa

I. Raha tsy ny Tompo no manorina ny Trano
Zary miasa foana 'zay manorina azy irery
Raha tsy ny Tompo no miaro ny tanàna
Zary miandry foana ny mpiambina mitily

II. Eny sasa-poana ianareo miari-tory
Taitra vao maraina, nefa zara raha mba voky
Hafa ny olon-tiany, fa matory tsy manahy
Mbola eo am-pandriana dia tolorany sakafo

III. Indro koa ny zanaka fa lova avy amin'ny Tompo
Valisoa tokoa anie 'reo menaky ny aina
Hery ny tsipika eny an-tanàna mpiady
Hery koa ny zanaky ny fahatanorana

© Vetson'i Siona
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antokom-pihira Vetson'i Siona
Vangy : 681
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Avotra23
Daty : 28/09/2020 20:34
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1672