Hiventso anao aho ry Siona (Antokom-pihira Vetson'i Siona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
I. Raha i Siona no resahina
Dia tsy afaka ny hangina aho
Raha i Salema no tenenina
Tsy ho tafapetraka aho
Raha tsy ny fahamarinany
No miposaka mazava
Raha tsy ny famonjena azy
Hamiratra toy ny fanilo

Ref: Hiventso Anao aho ry Siona ô
Aleloia, Aleloia!
Hatramin'ny fara fofonaiko
Aleloia, Aleloia!

II. Ho hitan'ny firenena
Ny fahamarinanao ry Siona ô
Anarana vaovao no iantsoana Anao
Ilay tiana no anaranao
Satria tia Anao ny Tompo
Tsy hitsahatra hiventso
Ny anaranao aho ry Siona ô
Hiventso Anao aho ry Siona


© Vetson'i Siona
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Antokom-pihira Vetson'i Siona
Visites : 652
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Avotra23
Date : 03/10/2020 13:03
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0733