MIVERENA RE (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy feo miantso anao ry ondry izay nania
Feo miantsoantso ny mba hiverenanao
Lasan-davitra ianao ka miverena re
Aza dia variana amin'izao tontolo izao

Jesoa no miantso, miantso anao izao
Ka tsy hiraika ve ianao mandre ny feony
Miverena re, miverena re
Aza dia variana amin'izao tontolo izao

Jesoa no miantso, miantso anao izao
Miverena re sao very ianao
Fa Izy mbola vonona ny handray anao
Mba modia re fa ampy izay

Moa ho lavinao anio izany antsony
Ka tsy hitsanagana ianao handray ny tanany
Ho avy anie ilay andro iray izay hitsarana anao
Ka ho very ianao tsy handova paradisa vao

Miverena re, miverena re
Aza dia variana amin'izao tontolo izao
Jesoa no miantso, miantso anao izao
Ka tsy hiraika ve ianao mandre ny feony

Jesoa no miantso, miantso anao izao
Miverena re sao very ianao
Fa Izy mbola vonona ny handray anao
Mba modia re fa ampy izay

Michel RAKOTOARISOA
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA
Visites : 1026
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : zeea
Date : 31/07/2018 09:14
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0719