FA IZY (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny rany no nalatsanyHo antsika olony
Tsy nahoany ny fasany
Fa ny ainy no natolony
Ny olatra amin'ny tanana
No marika amantarana
Fa Izy dia nohomboina noho ianao
Aiza anefa ianao ry olona o lazao lazao
Inona no azo antenaina aminao
Moa ve ny tenanao efa Azy izao
Fotoana izao ka miova ho vao
Resy, resiny ny fahafatesana ry olona
Vita, vita izao ny famonjena anao
Ny hazo fijaliany
Sy ireo fanavotany
Ho anao izay tiany
Ny helokao nongotany
Ny dinitra niraraka
Sy kapoka nanaraka
Fa Izy dia nihafy noho ianao
Aiza anefa ianao ry olona o lazao lazao
Inona no azo antenaina aminao
Moa ve ny tenanao efa Azy izao
Fotoana izao ka miova ho vao
Resy, resiny ny fahafatesana ry olona
Vita, vita izao ny famonjena anao
Julien RAMIANDRISOA
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANAVisites : 1522
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : zeea
Date : 31/07/2018 09:14