Andriamanitra (Antoko Mpihiran'ny Andon'ny Lanitra Antohomadinika (A.M.A.L.A))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andriamanitra Tompo ôAndriamanitra Rainay Ianao
Andriamanitra Tompo ô
Andriamanitra Rainay Tsitoha
Izao tontolo izao dia miantso ny Anaranao (oh oh oh oh)
Midera sy mankalaza fa lehibe indrindra Ianao
(Ianao ry Ray Tsitoha) / (tsara Ianao)
Ianao ry Tompo ô, ilay Mpamonjy anay
Ny voninahitra ho Anao ry Ray mandrakizay
Ny andronay manontolo, efa eo am-pelatananao (oh oh oh oh)
Ombay ny fitahianao, arotsay ny fahasoavanao
(omeo anay ry Ray / ny soa avy Aminao)
Ny fikasanay, ny fanirianay
Ho tanteraka anie ny sitrakao / ry Ray mandrakizay
Andriamanitra Ray tsitoha, Ianao ‘lay mpamonjy anay
Andriamanitry ny avo indrindra / Midera sy mihoby Anao zahay
Andriamanitra (4) / Ianao Mpamonjy anay (4)
AMALA
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Antoko Mpihiran'ny Andon'ny Lanitra Antohomadinika (A.M.A.L.A)Visites : 574
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Nampionona
Date : 24/06/2020 17:15