Vavaka (Rado) (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompo ô, mafisa fo
Ka aza omena valiny aho
Na mangataka aza anio
Fa iangaviako Ianao
Omeo ho an'ny rahalahiko
Ary ho azy manontolo
Izay fangatahako isan'andro

Omeo ho an'ireo mahantra
Izay fitafiko androany
Omeo ho an'ny maro anaka
Ny sakafo anio tontolo
Omeo ho an'ireo sahirana
Izay anjara tsikitsikiko
Omeo ho an'ireo voazioga
Ny fahafahako anio

Avelao aho mba hangatsiaka
Avelao aho mba hitofezaka
Avelao aho mba hitomany
Avelao aho mba ho voageja
Na anio fotsiny aza

Sao izay no hanamaivana
Ny ampaham-pahoriana
Entiny mandavan-taona
Sy ny masoandro takona
Lolohaviny isan'andro

Sady koa mba hamantarana
Ny fitiavan-tena disoko
Fa ny ho ahy hatrany hatrany
No efa niadiko fo
Rehefa mba mivavaka aho
(oh Raiko ô) Ka adinoko ny hafa
(ô hadinoy) Ka italahoako izao
(ô hadinoy) Hadinoy aho anio
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Antoko Mpihira MORIA
Visites : 393
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : tokyrajoelison
Date : 13/02/2025 13:42
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1224