Teny tonga nofo (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Longoko oh, zaiko oh
Hiaro anao anie Jesoa
Handrava ny asa-matin' ny Satana
Hitondra famonjena koa
Nomena voasoratra e
Ireo teny tsara sady soa
Teny izay manana fahefana
Teny tonga nofo

Zokiko e, zandriko oh
Hamela anao anie Jesoa
Hamafa ny otanao sy ny adalana
Raha mibebaka tokoa
Ekena voasoratra e
Noho ny anaran'ny Tompo
Ny ràny nalatsaka ho famelana
Teny tonga nofo

Nomena anao ny Baiboly (Lova)
Baiboly (soa)
Hoy aho hoe
(Ilay manana tenin'ny fiainana mandrakizay
No hany ivavahanay)

Teny izay manana fahefana
(Ilay teny tonga nofo)
Mandrava ny asan'ny satana
(Ilay teny tonga nofo)
Soratra Masina irery ihany
(Inoanay, torianay rahatrizay)
Soratra Masina hatrany hatrany
(Inoanay, torianay rahatrizay)
Hapaka hatrany am-paran-tany
(Inoanay, torianay rahatrizay)
Mitory ilay Vaovao Mahafaly
(Inoanay, torianay rahatrizay) !

Ravolahy Lyell - Fevrier 2025
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Antoko Mpihira MORIA
Visites : 340
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : tokyrajoelison
Date : 07/03/2025 12:35
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0199