Finoana iray (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ary izao tontolo izao, nohariana mba ho iray
Ankohonan’ilay Ray, hiombona amin-janany
Simbam-panavahana, toy ny ondry nobaboina
Ka mihahaka daholo, mitsitokotoko eny
Fa ny Ray no mpahary, tsy mba sasatra miandry
Ary sitraky ny fony, mba tsy hisy iray ho very

Tonga nofo aman-drà, ilay zanaky ny Ray
Ka miantso ny mpanota sy manangona ny very
Simbam-pisarahana, ka miasampana ny dia
Nefa miantso an’Izy Tompo, ny tsy mpino tohina
Tsy avelan’izy Ray, hisy vala maro intsony
Fa ho tokana hijoro, hanambara an’I Jeso

Ref : Tompo ô! angony indray
Ny ondrinao fa te ho iray
Mba ho tokana ny vala
Ka ho iray mandrakizay
Ny BATISA dia iray
Ny FINOANA dia iray
Ny FIANGONANA iray
Satria mino Tompo iray
Homba antsika tsy ho rendrika
Ny fitiavan’Andriamanitra
Kristy Tompo iraky ny Ray
Ny fanahy antoka izao hitana
Ny Batisa………Tompo iray
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Antoko Mpihira MORIA
Visites : 152
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : antokompihiramoria
Date : 23/10/2025 15:32
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0195