FANTATRO IZAY INOAKO (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Henoy fa lazaiko anao
Niainako anatiko ao
Raha vao nandray ilay Tompo Jesoa
Niova ny fiainako
Izaho ilay be ahiahy
Tsy nahajoro tsy sahy
Dia feno toky, fa Jeso zoky
No efa niady ho ahy

Ref :
Ka n'iza n'iza hiteny
Handatsa sy haneso izy ireny
Fantatro izay Inoako sy Tompoiko
Dia Jeso Mpamonjiko
Ka n'inona fitsapana
Sy fandrika ataon'i satana
Tsy hiemotra aho satria IZY KRISTY
No mitantana hatrany ny dia

2- Mino aho fa toy ahy ianao
Miaina fiainam-baovao
K'ilay Jeso izay velona anatinao
Mibaiko izay atao
Toa satrinao hampandre
Ny olona marobe
Sady hanambara ny hatsaran'ilay
Jeso Mpamonjinao

Ref : Ka n'iza n'iza hiteny ...

Ka na ampitso na ny any
No iantson'i Jeso ahy ho any
Faly aho satria efa tsinjoko ety
Ilay Tany soa kanto ery
Eto an-tany trano lay
Tsy honenana mandrakizay
Mahatsara ahy ny eo akaiky ny Ray
Izay nanomana toerana ho ahy
Ankaiky ny Ray no mahatsara anao
Izay nanomana Toerana ho anao.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Antoko Mpihira MORIA
Visites : 261
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : tokyrajoelison
Date : 13/05/2023 10:01
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744