Voninahitra (Ampifafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1°Tonga ny andro Noely andro malaza tokoa
   Ilay Jesosy zazakely no teraka anio
   Ilay Zanaky ny Avo no tonga ho anao
   Venteso ny hosana hanakoako izao

      REF :Voninahitra any amin’ny avo indrindra
              Ho an’Andriamanitra, ho an’Andriamanitra
              Ary fiadanana kosa ho ety ambonin’ny tany
              Amin’ny olona ankasitrahany, ankasitrahany

2) Taitra ’reo mpiandry ondry ka raiki-tahotra
    Nefa hoy ireo anjely : aza  matahotra
    Ka teny soa mahafaly no hambara ho anareo
    Teraka ny Mpamonjy ao Betlehema anio

3°Zaza no teraka ho antsika Zazalahy no nomena
   Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony
   Mahagaga ,Mpanolo-tsaina, Andriamanitra mahery
   Rain’ny mandrakizay fiadanana ho anao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ampifafi
Visites : 19
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Dadasa
Date : 22/04/2026 08:51
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0318