fa..niriako (Vetson'ikopa antoko mpihira)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maniry aho Tompo ô ny ho zanakao
hanoa anao hatrany, ho feno fahendrena
ampio aho Ray ô hanototra
ity hantsana eto anoloako
mibahana ahy tsy ho eny aminao

Ray ô ny fahotako izao
no iriko mba avelanao
satria efa fantatrao:
ny akaikinao no mahatsara ahy
eo ihany no mahatsara ahy

ampio aho Ray ô
ny Fanahinao no ataoko ampinga
handreseko fakam-panahy
tohano aho Ray ô tsy hiontsona
ilay finoana anatiko ao
no hanampy ahy mba ho sahy

Ray ô ny fahotako izao
no iriko mba avelanao
satria efa fantatrao:
ny akaikinao no mahatsara ahy
eo ihany no mahatsara ahy

ampio aho, tohano aho , herezo aho, arovy aho
tantano aho, tazony aho, vonjeo fa
eo ihany no mahatsara ahy

Ray ô ny fahotako izao
no iriko mba avelanao
satria efa fantatrao:
ny akaikinao no mahatsara ahy
eo ihany no mahatsara ahy
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0376