Manomboka izao dia pejy vaovao (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Omaly tsy miova, mitovy hatrany;
‘Zay fanompoana ataoko, fahazarana no niafarany.
Maninona moa raha toa mba miova am’zay?
Dia manaraka lalam-baovao, mba lalan-kafa indray:
ka tsy hisalasala aho hanao fiovàna
Ilay hoe mandeha ho azy aleo mba ialàna.
Jehovah o ,Ianao no itokiako izao.
Manomboka androany àry, dia pejy vaovao.

Na sarotra anefa, aleo hatao
satria hampahery ahy, sady hanome ainga vao.
Hay tombontsoa maro no efa niandry ahy.
Hafaliana tsy misy hoatr’izany. Soa ihany aho aloha fa sahy.
ka tsy nisalasala aho nanao fiovàna.
Izay nandeha ho azy efa mba nialàna.
Jehovah o, misaotra nanoro izao;
Nanomboka teo mantsy, dia pejy vaovao.

‘Zao aho re’fa mampitaha, soa ihany ireny fa nahitsy
satria afa-po aho ka tsy hanenina mi’tsy.
'lay safidy tami’zay nahasoa re’fa nandeha ny taona.
Tsy hihemotra intsony aho fa vao mainka miroso foana.
‘ndeha hanova fijery aho isa-maraina,
Ary hitady koa 'zay mila hatsaraina
Jehovah o, Ianao no itokiako izao.
Koa manomboka androany àry dia pejy vaovao.

Ka tsy hisalasala aho hanao fiovàna.
‘lay hoe mandeha ho azy aleo mba ialàna.
Jehovah o, Ianao no itokiako izao.
Manomboka androany àry …
dia tsy hisalasala aho hanao fiovàna
‘lay hoe nandeha ho azy aleo mba ialàna
Jehovah o, ianao no itokiako izao
Manomboka androany àry dia pejy vaovao…(vaao)
….dia pejy vaovao.

JWBroadcasting May2018
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tvbroadcasting
Hits : 696
Likes : 1 Like
Created by : raniNi1
Date : 17/09/2019 18:23
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0781