Mahery satria tsy mba irery (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mahery satria tsy mba irery (May 2022)
‘Ndao hanandra-peo hihira !
Hiara-hidera an’i Jehovah !
Isika anie iray ihany, samy omeny an’ilay fahazavana
Dia iray saina iray fo
Miara-manompo ny Ray avokoa
Na inona hiseho, ny fonao toneo.
Tsy irery ianao fa ‘zahay eo
Ref : Iray ihany isika, fianakavina iray
Iray ihany isika iray mandrakizay
Tsy misy hoe avela any mifampiahy hatrany
N’inona n’inona àry hanjo, mahery aho satria aho tsy irery.
Samy hafa fiaviana isika
Dia samy hafa na tarehy na bika
Mba tsy mitovy izay tiana
Kanefa mifankatia mahavariana
Ka na aiza haleha, Rahalahy be dia be
‘Zay tia foana, tia manome
Ref : Iray ihany isika, fianakavina iray
Iray ihany isika iray mandrakizay
Tsy misy hoe avela any mifampiahy hatrany
N’inona n’inona àry hanjo, mahery aho satria aho tsy irery

Iray ihany isika, iray ihany.
Iray ihany isika, fianakavina iray
Iray ihany isika iray mandrakizay
Tsy misy hoe avela any mifampiahy hatrany.
N’inona n’inona àry hanjo, mahery aho satria aho tsy irery.
Tsy irery aho ka mahery ! (choer : mahery aho)
Tsy irery aho ka mahery !
(May 2022)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tvbroadcasting
Hits : 69
Likes : 0 Like
Created by : raniNi1
Date : 23/04/2024 17:24
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0742