Ho Tianao (Tvbroadcasting)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Ny masonao hoe akimpio,’Lay Paradisa andao ’ndray tsidiho.
Ho hitanao
Fa ho tianao,
Ho tianao.
2.Tsy nofy izy io na hoe vazivazy,
Jehovah mihitsy no hanao azy.
Ho hitanao
Fa ho tianao,
Ho tianao.
(FIVERENANA)
Etsy ange e!
Jereo fa sambatra sy mihomehy;
Dia mozika...
’Zao no tian’i Jehovah ho fiainantsika!
3.’Zay resin-tory ela tany aloha,
Toy ny hoe teo foana f’efa tafafoha.
Ho hitanao
Fa ho tianao,
Ho tianao.
4.’Lay ranomasonao tamin’iny
Voafafa hatreo, efa hadino ny fahiny.
Ho hitanao
Fa ho tianao,
Ho tianao.
(FIVERENANA)
Etsy ange e!
Jereo fa sambatra sy mihomehy;
Dia mozika...
’Zao no tian’i Jehovah ho fiainantsika!
5.Koa hatanjaho n’finoanao satria
Jehovah no miteny hoe: ‘Matokia.’
(TETEZANA)
Hisy izany,
’Ndray andro any...
Dia tsy izay ihany,
Mandrakizay eto an-tany.
Fa ’zao...
6.Ny masonao mba akimpio,
Ilay Paradisa andao tsidiho.
Ho hitanao
Fa ho tianao.
Ho tianao.
(Novambra 2021)
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : TvbroadcastingHits : 373
Likes : 0 Like
Created by : raniNi1
Date : 25/04/2024 17:29