Eo Ambany Elany Aho (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Vao maraina be aho, dia niomana handeha;

Namaky Baiboly, nivavaka hoe:

“Ry Jehovah ô, zareo mandrara ahy tsy hitory,

Fa ianao no ekeko, tsy olona akory!”

(FIVERENANA)

’Zay aho fa tony ihany, Toa voronkely tsy misy ahiahy.

Efa eo ambany elany aho, nahoana aho no hanahy?

Efa eo ambany elany aho, ka ’zaho tsy hanahy.

2.Namonjy fodiana aho, f’efa hariva ihany!

Dia mbola tsaroako ilay olona androany,

Fa nilofika toa voninkazo efa ho faty.

’Ndeha holazaiko azy ilay hoavy atsy ho atsy!

(FIVERENANA)

’Zay aho fa tony ihany, Toa voronkely tsy misy ahiahy.

Efa eo ambany elany aho, nahoana aho no hanahy?

Efa eo ambany elany aho, ka ’zaho tsy hanahy.

(TETEZANA)

Toa misy afo mirehitra ato am-poko ato.

Tsy tanako fa tiako hanako.

Raha tsisy baiko hoe vita am’izay,

Dia ’zaho mbola hitory ny anarany indray!

Toy ’reo rahalahy sy anabavy milofo,

Tsy manaiky ho resy, fa manohy miady;

Ny ahy ny finoako tsy havelako hiofo,

Hoentiko hiatrika izay mbola ho avy!

3.Ity alina mangina efa hatory,

Dia nisaotra azy aho nahavita nitory.

Raha ny havoakan’ny ampitso, mbola tsy hay!

Fa Jehovah aloha ho eo, mandrakizay!

(FIVERENANA)

’Zay aho fa tony ihany, Toa voronkely tsy misy ahiahy.

Efa eo ambany elany aho, nahoana aho no hanahy?

Efa eo ambany elany aho, nahoana aho no hanahy?

(Oktobra 2022)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tvbroadcasting
Hits : 677
Likes : 0 Like
Created by : raniNi1
Date : 25/04/2024 17:34
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0763