Ampitomboiko ny Finoako (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.‘’Ty ve no izy, sa hoe lalana hafa no haleha? Mba aiza re?’

Ny valiny azo raha mba manontany, dia fitaka eny ihany!

Mitaona hiala hatrany.

Fa noporofoiko hoe nety ilay lalana nombako.

Dia ’zay mampisalasala ahy hofafako.

’Ty ’ndray tsy hialako!

(FIVERENANA)

Dia ny finoako ampitomboiko,

’Zay mitady hampiala ahy tsy hohenoiko.

‘Jehovah ô, mba ampio f’ianao

No afaka hanome ’zay ilain’ny zanakao

Mba tsy ho tafala,

Tsy hisalasala,

Hamaka tsara.’

2.Ny Devoly manajamba ny sain’izao tontolo izao, dia manely tsaho.

F’izaho ’ndray tsy hanao hoe: ‘’Zaho ange ka mafy be,

’Zay mipoitra eo ho voafehy.’

Fa aleoko izay mandrebireby esorina any.

Ny inoako dia ’zay lazain’i Jehovah ihany,

Azo antoka anie ’zany!

(FIVERENANA)

Ka ny finoako ampitomboiko,

’Zay mitady hampiala ahy tsy hohenoiko.

‘Jehovah ô, mba ampio f’ianao

No afaka hanome ’zay ilain’ny zanakao

Mba tsy ho tafala,

Tsy hisalasala,

Hamaka tsara.’

(TETEZANA)

’Zaho mba miangavy Azy eny foana, iny Izy mamaly:

Dia eo manoloana, hira kanto sy voakaly,

Na andinin-teny koa, na hoe resaka iray

’Zay nahasoa.

(FIVERENANA)

Ka ny finoako ampitomboiko,

’Zay mitady hampiala ahy tsy hohenoiko.

‘Jehovah ô, mba ampio f’ianao

No tena manome ’zay ilain’ity zanakao

Mba tsy ho tafala,

Tsy hisalasala,

Hamaka tsara.’

Fa ’zaho tsy hiala,

Tsy hisalasala,

Hamaka tsara!

(Martsa 2024)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tvbroadcasting
Hits : 37
Likes : 0 Like
Created by : raniNi1
Date : 25/04/2024 17:46
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0811