Zaho tia (Tanjona Randrianarivelo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Midobodoboka ny fo Ka lasa tsy tana...
Ilay fihetsika kely te hanopy maso anao ry malala,
Mientan-karavoana, ohatry ny olona adala,
Adalam-pitia ka raha ny ankaoatra anao aloha za tsy te hahalala,

Asianao ilay tositosy miaraka amin'ilay fitsiky malefaka,
Raha hoe loko dia fotsifotsy satria ny fitiavako anao tsisy pentina,
Arahiko ilay rotsirotsy dia aza manahy fa ho anao za hiezaka,
Ry tiako ah? mahazo matoky fa ra ny fonao aloha tsy avelako hitresaka.

Satria za tia, dia asehoko fa tsy afeniko,
Hoe za tsy mahafoy fa mamiko loatra ilay miara-dia...
Aminao ry tiana,
Za tsy mahatombotsiraka fa vao maheno ny anaranao dia tafitsangana mandihy ah, ny foko

Mientakentana mazoto tsy mba malaina,
Vao maheno ny feonao avy lavitra, mahalasa saina,
Hoe inona loatra no nahatonga ana lasa tia,
De inona koa no nahatonga ny fonao toa nankaty ah?

Satria za tia, dia asehoko fa tsy afeniko,
Hoe za tsy mahafoy fa mamiko loatra ilay miara-dia...
Aminao ry tiana,
Za tsy mahatombotsiraka fa vao maheno ny anaranao dia tafitsangana mandihy ah, ny foko

Asianao ilay tositosy miaraka amin'ilay fitsiky malefaka,
Raha hoe loko dia fotsifotsy satria ny fitiavako anao tsisy pentina,
Arahiko rotsirotsy dia manahy fa ho anao za hiezaka,
Ry tiako ah? mahazo matoky fa ra ny fonao aloha tsy avelako hitresaka.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tanjona Randrianarivelo
Hits : 145
Likes : 0 Like
Created by : Natolotrniavo
Date : 29/10/2024 01:38
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1402