Fanahy ô ! (Solofo Akon'ny Efitra Zandriny (Ekar Anosibe))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Raha ny asan'i SatanaDia maro tsy voatanisanay
Manjemby maso, mandilo sofina
Izy dia miteti-dratsy
Mitady izay handavo anay
Fa soa Ianao fa eo anilanay.
Ry Fanahy Masina !
Tafio ny herinao izahay
Fa Ianao no antenainay
Ka ontrony fa mila Anao
Ô ry Fanahy ô !
2. Zava-maro manodoka
Miantso, misarika anay
Mahasondriana fa mety hanimba anay
Fa raha eo anefa Ianao
Manilo sy manazava anay
Inoanay fa ho afaka izahay.
Ry Fanahy Masina !....
3. Mino anefa izahay
F'Ianao mitari-dalana
Tsy mba manary raha sendra sarotra
Ka 'reo fanomezanao
No indro mba angatahinay
Hambomba anay amin'ny fiainanay.
Ry Fanahy Masina !....
--------
Link:
Comments
Black7
(
17/12/2025 07:42)
Hira fangatahana ny herin'ny Fanahy Masina.
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Solofo Akon'ny Efitra Zandriny (Ekar Anosibe)Hits : 74
Likes : 0 Like
Created by : Black7
Date : 17/12/2025 07:42
