Famindram-po (SLK 'lay Mpiantsa Soa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Matoa izahay mbola velona ka vory eto izao
Dia noho ny famindram-ponao
Tsy lavon’ny aretina tsy ravan’ny loza koa
Fa namindranao fo
Fa tsy takatry ny sainay ny fiarovanao ô!
Ray Malala ô
Fa tena mahagaga loatra ho aho
Ny famindram-ponao
Maha te hioby eh, maha te hidera, ny fitantananao
Maha te hioby eh, maha te hidera, Ny fahasoavanao
Tsara Ianao

Eny!!! Raha ny herinay sy tanjakay
Tsy toy izao izahay
Eny!!! Ianao irery ihany Tompo ô, no
Azo hianteherana
Eny!!! Ny famindram-ponao irery ihany
No tsy nahalany ritra anay
Eny!!! Ny tombonandro sy ny fotoana
Dia avy aminao (x3)

Lehibe ny famindram-ponao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : SLK 'lay Mpiantsa Soa
Hits : 100
Likes : 0 Like
Created by : fetramaharosoa
Date : 13/06/2024 10:14
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722