Tsy mendrika aho (SAMIFI FJKM AMBODIFASINA PENIELA FITAHIANA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
tsy mendrika ny atao hoe zanakao anie ahotsy mendrika ny hidiranao ato an-tranoko aho
tsy mendrika ny hitsimpona izay latsaka
avy amin'ny latabatrao akory ajo
1. indro tazako ny tananao
mitsotra handray sy hisakambina ahy
koa hanatona aho
handeha tsy hiahiahy
noho ny teninao
fa tsy ho laviko hoy ianao
izay rehetra te hiova ho vao
izany teny izany
no manosika ahy androany
ho any aminao ihany
2. misaotra anefa noho ny teninao
izay miantso ahy handroso izao
mampanantena ahy
sy mampitraka indray
ilay very hatrizay
ka hamerina ao am-bala
ireo namako misalasala
voafatotr'i satana
ka tsy mahita ombana
hiverina aminao
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : SAMIFI FJKM AMBODIFASINA PENIELA FITAHIANAHits : 65
Likes : 0 Like
Created by : fetramanana92
Date : 06/11/2025 07:46
