Hariva ny andro (Ossy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hariva ny andro (Ossy )
Cover by : IsraJ

A/C : Naly Rakotofiringa

Harivariva izao ny andro
Efa ho faty izao ny masoandro
Rivo-manga sady mora
no mandrotsy ny natiora
Mitaraina ny valiha
eo amoron’ny farihy
Fongotr’eo ny fahoriana
f’efa hoavy ny mangina

Ry alina ô avia
Hampangiana ny fitia
Nisotroako ny mangidy
raha izany no safidy ;
Raha izany no safidy !

(Au piano : Narikely)

Ry alina ô avia
Hampangiana ny fitia
Nisotroako ny mangidy
raha izany no safidy ;
Raha izany no safidy !
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2118