You are here: home > Tononkira > Ossy

Fara-dona (Ossy)

https://tononkira.serasera.org/hira/ossy/fara-dona

Injay midona moramora
Any andrefan-drahona any
Orambaratra mijojo
No indro tamy sesilany
Injay ilay ako fa mirahona
Nefa maty vetivety
kanjo dia nisinda mora
Any am-para-vodilanitra

Lasa ho azy teo ny sento
Mamisavisa zava-maro
Vetsovetso tsy hita fetra
Mifanjevo mifTsiky dia ampyangaro
Mitadidy ny efa lasa
Ireo malala izay nafoy
kanjo ranomaso sisa
Potrapotraka mijohy

Hay tsy inona tsy akory
Ilay nampivetso tsy hita faritra
Mitondra amboara nampahory
Sy nahavelo-mpisentoana
Fambara orana ho lany
izay mamela fara-dona
Zary nampisentosento
Soa ihany tsy naharitra ...

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ossy
Mpamaky : 2423
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Rija Razafimahefa
Tamin'ny : 16/01/2002 08:25:33
ID : 484

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo