Ny hirahirantsika (Ossy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
- Ny hirahirantsika -
Ossy (Cover by ISRAJ)

A/C : Naly Rakotofiringa

Ny hirahirantsika sombinaina
Dia raozy vao mivelatra maraina
Sady kalo manambara ilay fitia
‘zay iarahana doria
doria doria

Ka na aiza na aiza misy anao
Dia tadidio sy kalohy izao hira izao
Fa na lavitra na akaiky raha eto an-tany,
ny fitiavako dia ianao irery ihany.

Ilay volana tomaratra
no nandefa izany taratra
Fa ilay nofim-pahasambarana
dia tsy nisy fitsaharana

Hafaliana tsy hita fatra
no nameno izany tratra
dia hihira ny fitia
ilay hiaraka ho doria

Hiara-paly ny natiora
Fa mamy loatra itony ora
‘zay no hirahirantsika sombinaina

ka na aiza na aiza misy anao
Dia tadidio sy kalohy izao hira izao
Fa na lavitra na akaiky raha eto an-tany
ny fitiavako dia ianao irery ihany


☝😋Navaozina ary narindran'i Ossy niaraka tamin'ny Paris Madagascar Club 👈
--------
Rohy:
Hevitra
Kotsur ( 25/05/2026 19:28)
Misaotra indrindra an'i Tanjaka nandefa ity hira ity. Nisy fanintsiana kely nataoko izay hitako fa tokony atao fa tena mankafia tompoko ary mamerina ny fisaorana anao.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2733