ISAORAKO (Ny Tsanta Fitoriana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Fony mbola zaza aho
Dia novolavolainao Jesosy
Ho isan'ny zanakao tokoa
Hanao ny asa fitoriana

Hatrizay ka hatramin'izao,
Hianao no efa niara-dàlana amiko
Ny fahaizana hananako
Dia fantatro fa avy aminao

Isaorako Anao Jesosy izany
Zava-tsoa natolotrao ho ahy
Ny hoaviko, hapetrako eo aminao
Mandra-piala ety
Izay rehetra mbola omenao ho ahy
Indrindra fa ny androm-piainako ety
Ny fiainako manontolo Jesosy o!
Hapetrako aminao

2- Na i dada na i neny
Zay sarobidy amiko ireny
Tsy mba manana olana tokoa
Nanolokolo ahy mba ho soa

Ny angatahiko aminao
Tahio i dada sy i neny mamiko
Efa nomenao ho ahy ireo
Hitaiza sy hanoro lalana

Nitombo taona teny anefa aho
Ankehitriny anefa lehibe
Zay vao tsapako, Jesosy o!
Hay Ianao, ilay Zoky tsy mandao
Ny soa nataonao ahy tsy ho voavaliko
Ary tsy mba manana homena aho
Fa ny foko no atolotro
Hanjakao mba ho fonenanao
...
Dia misaotra anao Jesosy O
...
Ny androm-piainako efa Anao!

A/C: Herinjanahary Tovo Ernest
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ny Tsanta Fitoriana
Hits : 1637
Likes : 1 Like
Created by : ramah17
Date : 18/07/2018 08:18
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0762