ZANANY ISIKA (Ny ANTSAN'NY FAMONJENA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Zanany isika e
Afaka manatona azy sady olona afaka miresaka aminy
Manana anjara lova amin'ny fitoerana efa nomaniny
Tsy nataony hoe mpanompo, fa tena nantsoiny hoe zanany
Navahany tamin'ny voahary rehetra, novolavolain'ny tanany

Raha mandeha ao anati'ny maizina ianao dia tarafin'ny fahazavany
Amin'ny aloky ny fahafatesana ianao anehoany ny fahatsarany
Tsy nomeny fanahy osa, fa fanahy mahery miampy fitiavana
Izay rehetra nanatona azy tsy mba nasiany fandavana

Endrey manao ahoana ny fitiavana be izay nasehony
Endrey tsara loatra ny mandre sy mihaino ny feony
Efa olom-boafidiny aho e! Ilay mpanjakan'ny lanitra
Zanak' Andriamanitra aho

Izay rehetra nandray azy dia tena nomeny ny heriny
Ny azy anie ny fitiavany, nafoiny tsy misy fameriny
Zanak' Andriamanitra aho e, ilay tompo-teny farany
Zanany ianao rehefa mino ny anarany

Efa mitoetra ao an-tranon-draiko aho e, tsy te hiala intsony
Efa nantsoiny ho amin'ny fahafahana e, hanao ny sitra-pony
Efa manana Tompo mpikarakara aho e, ka hitady an'iza indray
Tsisy hahafoana ny reharehako e, mitoetra ao an-tranon-dray

Efa nomeny famindram-po aho e, nozarainy fahasoavana
Tapitra teo ny fanamelohana e, nosoloiny fitiavana
Andriamanitra manome rariny ny olom-boafidiny
Tsy mba namela ahy ho very izy e! nomeny ahy ny didiny

Tompon'ny fahamarinana izy e!
Feno fahamasinana
Tsy fohy anie ny tanany
Tiany y zanany

Ianao anie zanany, malalany
voafidiny ka dia fananany
Olombelona asan'ny tanany
Ila navotany sady voavidiny
meteza re mba ho adidiny

zanany, mifalia
fantany ianao ka dia matokia
na dia mandalo aza isika ety
tsy vahiny na koa mpivahiny
ankohonana izay tena tiany e
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ny ANTSAN'NY FAMONJENA
Hits : 458
Likes : 1 Like
Created by : nyantsanfa
Date : 07/12/2020 19:54
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0795