NY FANIRIAKO (Ny ANTSAN'NY FAMONJENA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maniry mafy ny hitazona amin' ny sandrinao  mahery
Hisarangotra hamikitra amin'ny tanam-bokovoko
Dia ilay hazo fijaliana namonjenao olom-bery
Eo no ataoko fialofako, eo no honina ny foko

Maniry mafy ny ho voadio tamin'ny ra nalatsakao
Ilay ianao nisatro-tsilo sy voakapoka
Nofantsihana aza ianao, noesoina, novoinoina
Injany reko toa manindrona ahy, ireny fantsika natsatoka

Ny faniriako e!
Tsy ny hanao ny sitra-poko izay tsy mendrika aminao,
Ka hivily lalan-kafa, amin'ny fanaranam-po
Tsy izay no iriko,
Fa ny faniriako e!
Dia ny hiankohoka hitoetra eo ambany sandrinao
Ka ny teninao, ny teninao no ao am-poko.

Ny faniriako e!
Tsy ny hitady voninahitra amin'ny asa fanompoana
Ka handray valim-pitia, dieny mbola ety an-tany
Tsy izay no iriko,
Fa ny faniriako e!
Dia ny ho voasoratrao ny anarako raha tonga ny fotoana
Ka hotaomin'ny Mpamonjy, hiditra ny fanjakany.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ny ANTSAN'NY FAMONJENA
Hits : 526
Likes : 2 Like
Created by : nyantsanfa
Date : 23/12/2019 16:54
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0778