HOENOINAO (Ny ANTSAN'NY FAMONJENA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hivavaka aho anio, hifona hitalaho
Hamboraka ny teny, ny vetsovetsom-po hiloatra avy amin'ny molotro
Te hanatona anao aho, te hiankohoka aminao, te-hiresaka aminao
Moa ho mendrika anao, sy ny voninahitrao ireto teny izay atolotro
Ka hoenoinao aho

Mety ve ny teny maro, ireny ve no sitrakao
Sa ny indraim-bava monja dia efa ampy hilazana
Mety ve ny mitantara ny amiko izay efa fantatrao
Sy mitanisa ny andro lasako harafesim-pahotana
Mba hoenoinao aho

Mety  ve ny mampatsiahy fa ianao nampanantena
Fahasoavana miavosa, toky sy fanantenana
Moa ve mety ny mandidy rehefa dodona ny tena
Sy mitanisa soratra masina vokatry ny fahalalana
Mba hoenoinao aho

Hivavaka aminao aho, hanatona anao aho
Hiresaka aminao aho, hiankohoka aminao aho
Izao teny ataoko izao,
Hoenoinao, hoenoinao, hoenoinao

Hivavaka aminao aho, hifona aho f' efa diso,
Mangata-pamelana aho, mitady fiovana aho
Izao vavako izao
Hoenoinao, hoenoinao, hoenoinao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ny ANTSAN'NY FAMONJENA
Hits : 629
Likes : 2 Like
Created by : nyantsanfa
Date : 23/12/2019 16:53
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0775