Aza manary ahy (Ny ANTSAN'NY FAMONJENA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
efa niainako ny fahazazako
notantananao aho Jesosy o
nandalovako ny fahatanorako
satriko mbola hijanonana
efa niainako ny fifaliana eto antany
fa notahianao aho Jesosy o
efa nisento aho efa nitomany
ianao nanome fiononana

efa nandalo teo imasoko,
fiadanana sy fahasambarana
efa namoy havana maro aho
izay mantsy ny fandaharana
efa nasehonao ahy ny fahatsaranao
nitobaka ny fitahiana
ianao no niady ny adiko foana
f'izaho nasainao nagina

ny lalana rehetra nodiaviko
ianao teo anilako foana
F'androany aho manisa izay ho androko sisa
satria toa mandeha ny fotoana

aza manary ahy rehefa antitra aho
Jesosy o aza manary ahy
aza mahafoy afy rehefa ketraka ny heriko
Jesosy o aza mahafoy ahy

Izaho efa mino, tsy manadino
fa tsy handao ahy mihitsy ianao
F'androany aho manisa izay ho androko sisa
ka mitady toky vaovao
Natanjaka aza aho nila anao e
mainka fa rehefa mihaosa sy reraka
Jesosy o Zaho mila anao e
Mila anao tanteraka aho

Tompo o mihareraka aho, aza mahafoy ahy hianao e
tena manantena anao aho Jesosy o
miandry hotantanao e
raha miha reraka aho aza mahafoy ahy
ho fiankinako ianao e
aza mahafoy ahy, aza mahafoy ahy, aza mahafoy ahy Jesosy o
aza manary ahy, aza manary ahy
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ny ANTSAN'NY FAMONJENA
Hits : 159
Likes : 1 Like
Created by : nyantsanfa
Date : 13/12/2023 17:29
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0737