Aza manambady mamolava (Ndriana Ramamonjy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza manambady mamolava ihany hoy aho !
Mamelona ireo épicerie
ny zanany anefa ity mahia eh
Ny vadiny dia antitra tsy fidiny
isan’andro zao milanja ny ngidiny
Vao jerena dia vehivavy farahidiny
na fitafy aza tsy mba voavidiny

Ianareo croix bleue mba mivoaha ny fiangonana
vonjeo avoko Izay mety ho lanonana
Lazao ambarao kikao fa ratsy ny toaka eh
ampiasao avokoa na télé na radio
dia manaova clip amin’ny vidéo
dia lazao ambarao kikao
fa ratsy ny toaka eh

Ianareo mpivarotoka mba miteraka ianareo
mba miangavy re tsinjovy ny zanak’izy ireo
fa mijaly mijaly ampahorian’ny toaka eh
Ry mpitondra fanjakana
mba ovao ny lalana
Ampiakaro ny haba fandray amin’ny toka
Ampidino ny vary
mba hiadanan’ny vahoaka eh
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ndriana Ramamonjy
Vangy : 7130
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 25/02/2004 00:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2447