Vetsovetso (N-mir'o)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Eto amoron-drano aho izao misento fa manina
mahatsiaro anao ilay any alavitra any
Miaraka amin'ny Gitara
ny feo efa farina
tsy mana-tononkira afa tsy ilay anaranao
tendrimbohitra avo sy kilometatra maro
no manasaraka antsika roa malala
raha ny sitrapoko izao dia izao aho dia ho any
hikopak'elatra toy voro-mailala
Ny fo teritery, isan'andro aho marary
Ny adiresy tsy niova
tongava mba mamangy
tsy mba nana-namana akoatranao aho
Eto ambony tamboho aho
mitanisa ireo lasa
tantaran'olon-droa toy ny horonantsary
tsy maha-leo ahy penina satria tena kanto

fiv:
Mba rahoviana indray no ahitako
ny endrikao kanto izay nambabo ahy
asa ianao raha toa ahy mijery diavolana
rehefa tsy tafandry mandry
satriko ny hiteny hoe modia malaky e
ireo tsy nety taloha androany ho fafako e
fa aza omenao tsiny aho raha manoratra androany
fa tena mila anao aho
te hamihana anao aho
shalalalalala

2-Vao mifoha vao maraina dia mahatsiaro anao,
Rehefa mody masoandro
tsy misy ankoatranao
Vao mampiditra fahana dia miantso anao
nefa hafa ihany ilay mivantana satria
Ny fo teritery, isan'andro aho marary
Ny adiresy tsy niova
tongava mba mamangy
tsy mba nana-namana akoatranao aho
Eto ambony tamboho aho
mitanisa ireo lasa
tantaran'olon-droa toy ny horonantsary
tsy maha-leo ahy penina satria tena kanto
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : N-mir'o
Hits : 506
Likes : 0 Like
Created by : nmirorhonan18
Date : 21/05/2021 23:38
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0799