tsara andry (Tarika Hasina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha hihatsaravelatsihy aleo dia foanana
Ny mamitaka ny tiana dia fihetsika tsy hihavanana
F'izaho dia tia ka mahatoky fa manana andry iankinana
sy hiangotingotiana
Nefa voafitaka aho satria ilay olon-tiana anie
ka mpihatsaravelatsihy a!

Tsaratsara aloha ny mifandao tsy misy maratra
Dieny mbola tsy hanenenana
Ny hampandeferana
ilay fitiavana voaratra
Fa raha mitohy dia tsapa fa ho montsana ny amiko sy ny ho avy manontolo
Koa aleo hisinda kely ilay fitiavako dieny mbola tsy bobongolo.

Ref:
Fa ianao tsara andry iankinana sy tànana mpanafosafo
(Manga habakabaka hisidinana)
Voatamby fitia mitafotafo
(Mamelà ahy) mba hijerijery (ny sahaza) sy tsy hamery

ny fahantrako eo an-dalam-pivoarana
Ny ngidim-piainana tsy azo anoharana
Koa andeha re... fa tsaratsara antsika ny mifandao.

Ref:..........
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tarika Hasina
Hits : 6573
Likes : 0 Like
Created by : zzz
Date : 28/06/2006 07:26
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.072