You are here: home > Tononkira > Tarika Hasina

DIA HO NOFIKO VE (Tarika Hasina)

https://tononkira.serasera.org/hira/hasina/dia-ho-nofiko-ve

Asa raha fantatrao
Fa mbola miandry foana anie aho
Miandrandra sao mbola aminao lay fitiavana ahy
Manantena ny anilanao
F’izany moa no hampionona ny fo

F’izaho aloha dia tsy manahy fa tia tokoa
Miandry anao, miandry foana hatramin'izao
Mbola tsy mamoy fo
Niezaka aho, nanao zay rehetra azo atao
Nikaroka nitady izay hitiavanao ahy
Nefa atao ahoana moa
Mbola ho nofy ny anjarantsika roa

Na ireo fihetsikao
Toa mahasaro-piaro lava izao
Fa sariaka lotononkira.serasera.orgatra ka manahy sao lasa any ianao
Te hilaza fa hoe tia anao,
Nefa matahotra sao lavinao eo aho

F’izaho aloha dia tsy manahy fa tia tokoa
Miandry anao, miandry foana hatramin'izao
Mbola tsy mamoy fo
Niezaka aho, nanao zay rehetra azo atao
Nikaroka nitady izay hitiavanao ahy
Nefa atao ahoana moa
Mbola ho nofy ny anjarantsika roa

F’izaho aloha dia tsy manahy fa tia tokoa
Fa dia miandry anao, miandry foana hatramin'izao
Nefa atao ahoana moa
Mbola ho nofy ny anjarantsika roa

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tarika Hasina
Mpamaky : 17915
Mpakafy : 2 Ankafizo
Nampidirin'i : rah-njara
Tamin'ny : 16/08/2005 01:02:03
ID : 3213

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo