kamboty velon-dray (Tarika Hasina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Toy ny zanak’ondry very an’efitra izahay
tsy mba misy ny hanorotoro sy hananatra
dada o miverena ianao,f’aza ny hadisoan’i neny
no entina hampijaliana anay

ho kamboty velon-dray ve izahay
ka hanjeninjeny foana hitsiriritra ireo namanay
very vahatra izahay toy ny masoandro
ny masoandro vao miposaka ka hilentika sahady ho maizina
tsy safidim-ponay re ny ho ety an-tany fa ny fitiavanareo

k’aza avela ho malok\\’ila ny androm-piainanay ety an-tany
fa mahatsiaro ho irery izahay
ireo namanay mpiara-milalao
mitanisa falifaly fa manan-dray mahavita izao sy izao
ny ato an-trano anefa zara raha mitafy
fiafina lava tsy mba manan-dray hanafy,nilaozanao,nilaozanao....
--------
Rohy:
Hevitra
judi.rakotoarivelo ( 26/09/2018 22:36)
mampitomany be! Tena ny fiainako mintsy :'-( :'-(
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika Hasina
Vangy : 13808
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : rah-njara
Daty : 01/09/2005 00:20
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1008