ANILANAO (Tarika Hasina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha mbola mitempo,raha mbola miventso ny fo...
Dia ho anao,ho anao ry tsy foiko..
Ny anilanao no ventiventesiko hatrany..
Ny fitiavanao no ambetin.dresako hoe mamy...r'ilay nofinidiko..
Ianao no efa tiko hiara.dia ka ho doria..
K'@ty andro ity dia isika roa
Hanorina ilay tokantrano soa..
Tokantrano soa ..lafatra tokoa...

Na tsiky tomany ianao iany..
Ianao no tokako eto an.tany..
Ka n'inoninona hanjo ..dia ianao,ianao tokoa..ianao no andry iankinan'ity fo ..
Na ngidy na mamy ianao iany..
Ianao no tokiko eto an tany...
Efa voasoratra fa ianao,ianao no anjarako.
Fitiavako anao re tsy mba ho lany..

Injay fa migadona ilay ora mamy tokoa..
Lay ora sarobidy,nandrasantsika roa..
Ka ilay voady hamasinin 'ny Ray tsitoha.
Ka ireo havana sy namana hifaly..
Fa nampifandraisan 'ity fo
Hitambatra ho iray..hitambatra ho mandrakizay..
Ka n'inoninona hanjo dia isika roa..
Efa nifanaiky izaka tokoa..izaka tokoa..
Hizara ny soa....

Na tsiky.........
--------
Rohy:
Hevitra
Mamiko_Ny_Kanto ( 28/01/2018 14:45)
Tiako, tsara!
Mankasitraka anareo.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika Hasina
Vangy : 4558
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ratsokona
Daty : 30/08/2017 14:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1946