Itafio (Hagay Groupe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Itafio

Esory ny tahotrao
Esory ny ahiahy
Esory ny fahakiviana
Fa itafio JESOSY KRISTY
Ilay fiainam-baovao
Efa natokany ho anao
Azo antoka fa mpandresy ianao
Izy no hampandresy anao

Feno hery ny ao anatiny ao
AZY  koa ny fahefana
Tsy misy, tsy misy tsy hainy atao
Izay momba anao fantany

Ieh...fa na dia hiodina aza izao rehetra izao
Mety hankahala eny hanenjika
Aoka izany no mainka ifaharanao
Fa tsy mba manary anie IZY

Fa na dia heverinao aza fa tsisy antenaina
Ny androany no hitanao toa mahakivy fo
Tsy mahalala ny avoakany avy eo
Nefa manàna finoana hatrany ianao

Esory ny tahotra...
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Hagay Groupe
Visites : 102
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : HERILANTO28
Date : 05/05/2025 10:08
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.247