Mifankatiava (Groupe AINA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Henoinareo izay manan-tsofina
Sainonareo izay manan-tsaina
Fa n'iza n'iza mbola velona ambonin'ny tany
Dia tsy maintsy ho lo, hody vovoka ihany

Koa mifankatiava ary mifanampia
Ampanjakao eto an-tany ny fitia
Fa ny mita be anie tsy mba lanin'ny mamba
Ary ny hazo tokana anie tsy mba ala

Izay no hafatra ambara anao
Henoy tsara ka ampitampitao e
Manaova ny tsara sy ny mety hatrany hatrany  
Rah ate ho sambatra na eto na any  
Mamela izay nandratra anao
Dia ho voavela koa ny helokao e
Izay tsy miadyn izay tsy miady hono olom-boto  
F’izay to fo, izy no mpamosavy  

Ny Malagasy dia tia fihavanana
Efa hatry ny ela izy no tia namana
Miaiky daholo n'aiza n'aiza izao tonotolo izao
Amin'ny fahendreny sy fahaiza-manao  

Izay no hafatra ambara anao
Henoy tsara ka ampitampitao e
Manaova ny tsara sy ny mety hatrany hatrany  
Raha te ho sambatra na eto na any
Mamela izay nandratra anao
Dia ho voavela koa ny heloko eI
Izay tsty miady, izay tsy miady hono no olom-boto
F’izay to fo, izy no mpamosavy  
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Groupe AINA
Hits : 2230
Likes : 0 Like
Created by : Nosiklarita
Date : 27/06/2016 10:43
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6823