Ny anaranao (GALAF)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny Anaranao ry Tompo ô!
No asandratray izao
Fa Ianao no antony izao rehetra izao
Nivimbina nitantana ny dianay izao
Ka faly ery'zao ny fonay Manana Anao

Ny Anaranao no tokinay
Ry Mpihaino vavaka
'lay Tompo sy Mpanjakanay
'lay tsy manavaka
Na ny mpanota efa very
Aza navotanao k'izany no
Hideranay ny Anaranao

Tsy hangina Mintsy Tompo ô
Ny vavanay izao
Hidera sy hanandratra
Ny voninahitrao
Fa herinay sy tanjakay
Ka hifalianay ho rehareha
Sy ho aronay ny Anaranao

Faly tokoa(izao ny fonay)
Ry Tompo tia ô!
Fa tsampanay (sy fantatray)
Fa tianay Ianao
Tsy vola na (harena no)
Atolotray ho Anao
F'izay talenta Kely
MBA hanananay
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : GALAF
Hits : 62
Likes : 0 Like
Created by : MICHAEL.XSQ
Date : 03/12/2024 19:24
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.023