LOVA TSY MITOVY (GALAF)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ny olona sahy milaza fa hoe tsy misy Andriamanitra
Dia sahy manebatebak'ilay Tompon'ny lanitra
Maneso sy manaraby ary koa manao tsinotsinona
Ny Heriny,ny Hasiny
Dia tsy ho voahavotra
No sady voahozona amin'ny afobe amin'ny farany.

2-Ireo mpanompo sampy sy mivavaka amin'ny razana
Miseo miantsoantso ny anaran'Andriamanitra
Mihevitra sy misaina fa tsy ho tratrin'ny aloka
NY fiainany, ny aminy
Ka dia tsy ho avotra, no sady voahozona
Amin'ny afobe amin'ny farany.

-Isika ihany koa izay minia miaina amin'ny fahadisoana
Ka tsy mba manova toetra fa mifikitra amin'ny fahalotoana
Dia tsy ho tafiditra amin'ny toerana nampanantenain'i Jesoa ho vantanina
Koa raha tsy ho tianao ny hitovy lova amin'ireo tsy mpino
Ekeo NY otanao ny toetranao koa mba hamasino
Ho mendrik'ilay Jesoa
Hitondra ny famonjena mba ho anao sy ho ahy koa.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : GALAF
Hits : 120
Likes : 1 Like
Created by : MICHAEL.XSQ
Date : 07/03/2024 16:53
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0745